2 Samuel 23:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Abisay, rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia, no lehibe tamin’izy telo lahy, namely ny telonjato lahy tamin’ny lefona izy ka nahafaty azy ireo, ary izy no nalaza tamin’izy telo lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Abisaia rahalahin’i Jôaba zanak’i Sarvià dia filohan’ny manamboninahitra koa. Nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy 300 lahy, ka nahafaty ireo, ka nahazo laza tamin’izy telo lahy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Abisay rahalahin’i Jôaba sady zanakalahin’i Tseroià, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato ka nahafaty azy; ary nanan-daza mitovy amin’ireto telo lahy ireto izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Abisay, rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia, no lehibe tamin’izy telo lahy, namely ny telonjato lahy tamin’ny lefona izy ka nahafaty azy ireo, ary izy no nalaza tamin’izy telo lahy.
malagasy
Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.