2 Samuel 23:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Benaia, zanak’i Joiada, zanaka lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Banaiasa zanak’i Jôiadasa zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela, dia namely ireo Ariela roa lahy avy any Moaba. Indray andro, nisy oram-panala, dia nidina izy ka namely ilay liona tamin’ny lavaka famorian-drano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià. Izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy tao Môaba; izy koa no nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala.
Malagasy Bible 1865
Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Benaia, zanak’i Joiada, zanaka lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny;
malagasy
Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;[Heb. lionan'Andriamanitra]