2 Samuel 23:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry be. Nitondra lefona teny an-tanany ilay Ejiptiana, nefa nidina teny aminy tamin’ny tehina i Benaia ka nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana, ary iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namono ny Ejiptianina anankiray mahatsiravina endrika izy; lefona no teny an-tanan’ilay Ejiptianina. Izy kosa nidina nankany aminy nitondra tehina, ary ny lefona teny an-tanan’ny Ejiptianina no notsoahany ka ny lefony ihany no namelezany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina ranjanana izay nirongo lefona; tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan’ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty.
Malagasy Bible 1865
ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry be. Nitondra lefona teny an-tanany ilay Ejiptiana, nefa nidina teny aminy tamin’ny tehina i Benaia ka nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana, ary iny lefony iny ihany no namonoany azy.
malagasy