2 Samuel 23:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy toy izany indrindra va ny taranako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina amin’ny zavatra rehetra sady voatandrina; moa tsy hampitsimohiny va ny famonjena ahy rehetra sy ny faniriako rehetra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy toy izany va ny fianakaviako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina sy voatandrina tsara indrindra; ka hampitsimohiny tokoa ny famonjena ahy rehetra sy ny sitraky ny fony rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany indrindra ny fianakaviako eo anoloan’Andriamanitra; fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay no nataon’Andriamanitra tamiko, dia fanekempihavanana mirindra sy voatandro amin’ny lafiny rehetra. Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy toy izany indrindra va ny taranako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina amin’ny zavatra rehetra sady voatandrina; moa tsy hampitsimohiny va ny famonjena ahy rehetra sy ny faniriako rehetra?
malagasy