2 Samuel 23:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no anaran’ireo lehilahy maherin’i Davida: i Joseba-Basebeta takemonita no lehiben’ny mpanafika malaza. Izy no ilay Edino eznita izay namely ny valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no anaran’ny lehilahy mahery izay eo amin’i Davida: i Jesboama zanak’i Hakamonì, no filohan’ny manamboninahitra. Nampandihy ny lefony tamin’ny olona 800 lahy, izay nataony maty tamin’ny indray mandeha monja, izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto avy ny anaran’ireo kalazan’i Davida: i Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy ny lefony hamelezana fahavalo valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no anaran’ireo lehilahy maherin’i Davida: i Joseba-Basebeta takemonita no lehiben’ny mpanafika malaza. Izy no ilay Edino eznita izay namely ny valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
malagasy
[Ny anaran'ny lehilahy maherin'i Davida] Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.