2 Samuel 24:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namely azy ny eritreritr’i Davida rehefa voaisany ny olona. Koa hoy i Davida tamin’NY TOMPO: Efa nanota be aho tamin’izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, TOMPO ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandre ny fony nitebiteby i Davida nony nanisa ny vahoaka, ka hoy i Davida tamin’i Iaveh: «Nahavita fahotana lehibe aho, tamin’ny nataoko! Koa ankehitriny, Iaveh ô, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatsiaro ny tenany ho meloka i Davida taorian’ilay fanisam-bahoaka; ka hoy izy tamin’ny TOMPO: –Fahotana lehibe no vitako tamin’izao nataoko izao. Koa ankehitriny mifona aminao aho, TOMPO ô, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
Malagasy Bible 1865
Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namely azy ny eritreritr’i Davida rehefa voaisany ny olona. Koa hoy i Davida tamin’NY TOMPO: Efa nanota be aho tamin’izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, TOMPO ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
malagasy