2 Samuel 24:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy ary niteny hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ny taninao? Sa handositra mandritra ny telo volana eo anoloan’ny fahavalonao ianao, satria henjehiny? Sa areti-mandringana mandritra ny hateloana eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny hoentiko miverina any amin’Izay naniraka ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe: «Ho tonga amin’ny taninao va ny mosary fito taona, sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalonao izay hanenjika anao va ianao; sa hasian’ny pesta hateloana ny taninao? Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an’ilay naniraka ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara taminy ny hafatr’Andriamanitra nanao hoe: –Mosary fito taona hamelezana ny taninao ve no tianao, sa ny handosiranao telo volana eo anoloan’ny fahavalo izay manenjika anao, sa aretina pesta mandritra ny telo andro eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero tsara izay valin-teny hoentiko amin’Ilay naniraka ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary Gada nankany amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin'izay naniraka ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy ary niteny hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ny taninao? Sa handositra mandritra ny telo volana eo anoloan’ny fahavalonao ianao, satria henjehiny? Sa areti-mandringana mandritra ny hateloana eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny hoentiko miverina any amin’Izay naniraka ahy.
malagasy