2 Samuel 24:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida tamin’i Gada: Indrisy! Tery loatra aho! Aleontsika ho azon’ny tanan’NY TOMPO, satria lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’i Iaveh fa be famindram-po Izy, toy izay ho azon’ny tanan’ny olombelona.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO, toy izay ho azon’ny tanan’olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida tamin’i Gada: Indrisy! Tery loatra aho! Aleontsika ho azon’ny tanan’NY TOMPO, satria lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
malagasy
Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.