2 Samuel 24:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanatsotra ny tanany tamin’i Jerosalema Ilay Anjely handringana azy; fa nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza ka niteny tamin’Ilay Anjely izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’NY TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy. Fa nanenenan’i Iaveh ny amin’izany loza izany, ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka: «Aoka izay, fa avonkony amin’izao ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Areonà, Jeboseanina, no nitoeran’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha naninji-tanana hamely an’i Jerosalema ny anjelin’ny Tompo, dia nanenina ny amin’ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin’Ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araonà, ilay Jebosita.
Malagasy Bible 1865
Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanatsotra ny tanany tamin’i Jerosalema Ilay Anjely handringana azy; fa nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza ka niteny tamin’Ilay Anjely izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’NY TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita.
malagasy