2 Samuel 24:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’i Davida Ilay Anjely namely ny olona dia niteny tamin’NY TOMPO izy hoe: Indro, izaho no nanota, ary izaho no nanao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka hamely ahy sy ny ankohonan’ny raiko ny tananao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’i Iaveh: «Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re ho izaho sy ny mpianakavin’ikaky no hasian’ny tananao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nahita ilay anjely mpandringana ny vahoaka i Davida, dia nanao tamin’ny TOMPO hoe: –Izaho no nanota, izaho no nanao ratsy! fa ireo ondry ireo moa no nanao inona? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin'i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’i Davida Ilay Anjely namely ny olona dia niteny tamin’NY TOMPO izy hoe: Indro, izaho no nanota, ary izaho no nanao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka hamely ahy sy ny ankohonan’ny raiko ny tananao!
malagasy