2 Samuel 24:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Araona: Inona no antony ahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony? Dia hoy i Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nivoaka i Areonà, ka niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny mpanjaka nanao hoe: «Inona izato nahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony?» Ary hoy ny navalin’i Davida: «Hividy ity famoloana ity aminao, hanorenana ôtely ho an’i Iaveh mba hihatahan’ny areti-mandringana amin’ny vahoaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nanontany hoe: –Fa nahoana ianao, ry andriamanjaka, no mankatỳ amiko mpanomponao? Dia hoy ny navalin’i Davida: –Hividy ity famoloana ity aminao hanorenako alitara ho an’ny TOMPO, mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely intsony ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan'ny mpanjaka tompoko atỳ amin'ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an'i Jehovah hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Araona: Inona no antony ahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony? Dia hoy i Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
malagasy