2 Samuel 24:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Dia neken’NY TOMPO ny fifonana natao ho an’ny tany ka nitsahatra tsy namely ny Israely intsony ilay areti-mandringana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanorina ôtely teo i Davida ho an’i Iaveh ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Dia nionona ny hatezeran’i Iaveh tamin’ny tany, ka nitsahatra ny areti-mandringana namely an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanorina alitara tamin’io toerana io i Davida ka nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’ny TOMPO. Dia niantran’ny TOMPO ilay tany; ka nitsahatra tsy namely an’i Israely intsony ny areti-mandringana.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Dia neken’NY TOMPO ny fifonana natao ho an’ny tany ka nitsahatra tsy namely ny Israely intsony ilay areti-mandringana.
malagasy