2 Samuel 24:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Joaba tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa inona no antony itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Jôaba tamin’ny mpanjaka: «Hampitomboin’i Iaveh Andriamanitrao anie ny vahoaka injato toy izao, ka ny mason’ny mpanjaka tompoko anie hahita izany! fa ahoana ange ny mpanjaka tompoko no mitady hafaliana manao izany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Jôaba namaly ny mpanjaka: –Hampitomboin’ny TOMPO Andriamanitrao ho injaton’izao anie ny vahoaka; ka ho hitan’ny masonao izany, ry andriamanjaka! Fa inona loatra ange no antony hanaovanao izany, ry andriamanjaka?
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Joaba amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Joaba tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa inona no antony itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
malagasy