2 Samuel 24:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natolotr’i Joaba ny mpanjaka ny isan’ny vahoaka voalamina ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery, mpanatsoaka sabatra tamin’ny Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 800.000, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely, ary 500.000 ny lehilahy tamin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely dia nisy 800 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 500 000.
Malagasy Bible 1865
Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natolotr’i Joaba ny mpanjaka ny isan’ny vahoaka voalamina ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery, mpanatsoaka sabatra tamin’ny Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ny Joda.
malagasy
Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.[Heb. mpanatsoaka sabatra]