2 Samuel 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naharitra ela ny adin’ny taranak’i Saoly sy ny taranak’i Davida, nefa i Davida dia nihanahery, fa ny taranak’i Saoly kosa dia nihaosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naharitra ela ny adin’ny fianakavian’i Saola sy ny fianakavian’i Davida. I Davida nandroso nihanahery, fa ny fianakavian’i Saola kosa nihaosa miandalandalana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naharitra ela ny adin’ny mpomba an’i Saoly sy ny mpomba an’i Davida. Nihanahery hatrany anefa i Davida fa tsy nitsaha-nikorosy kosa ny taranak’i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naharitra ela ny adin’ny taranak’i Saoly sy ny taranak’i Davida, nefa i Davida dia nihanahery, fa ny taranak’i Saoly kosa dia nihaosa.
malagasy
[Ny nandrosoan'ny fanjakan'i Davida, sy ny nihenan'ny an'Isboseta kosa, ary ny nivadihan'i Abnera hanaraka an'i Davida, sy ny namonoan'i Joaba azy] Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa.