2 Samuel 3:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay i Abnera mba hisolo vava azy hiteny hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko dia indro homba anao ny tanako ka hampanaiky ny Israely rehetra anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandefa iraka nankany amin’i Davida i Abnera hilaza aminy, amin’ny anarany, hoe: «An’iza ny tany? Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tanako hampihodina an’i Israely rehetra hankaminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naniraka olona amin’ny anarany nankany amin’i Davida i Abinera hanontany azy izay tompon’ny tany ka nanao hoe: «Manaova fanekena amiko fa hanampy anao aho hahatonga an’i Israely manontolo hiara-dia aminao.»
Malagasy Bible 1865
Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay i Abnera mba hisolo vava azy hiteny hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko dia indro homba anao ny tanako ka hampanaiky ny Israely rehetra anao.
malagasy
Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy]