2 Samuel 3:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida: Tsara izany! Hanao fanekena aminao aho. Zavatra iray loha anefa no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao raha tsy entinao atỳ i Mikala, zanakavavin’i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary novaliany hoe: «Tsara izany; hanao fanekena aminao aho, fa zavatra iray loha no angatahiko aminao, dia ny tsy hahitanao ny tavako raha tsy entinao atỳ amiko i Mikola zanaka vavin’i Saola rehefa ho avy ianao hifankahita tava amiko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Davida namaly azy: «Eny àry fa hanao fanekena aminao aho, saingy izao kosa no mba hangatahiko aminao: Aza miseho amiko raha tsy entinao atỳ i Mikàla zanakavavin’i Saoly.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida: Tsara izany! Hanao fanekena aminao aho. Zavatra iray loha anefa no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao raha tsy entinao atỳ i Mikala, zanakavavin’i Saoly.
malagasy
Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin'i Saoly.