2 Samuel 3:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka nankany amin’Isboseta, zanakalahin’i Saoly i Davida hilaza hoe: Omeo ahy i Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ny mariky ny saron-tsotsòkan’ny Filistina zato lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandefa iraka ho any amin’i Isbôseta zanak’i Saola i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikola vadiko izay nampakariko notakalozako hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naniraka olona nankany amin’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikàla vadiko izay efa azoko ho takalon’ireo tsitsy zaton’ny Filistinina.»
Malagasy Bible 1865
Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan 'ny Filistina zato lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka nankany amin’Isboseta, zanakalahin’i Saoly i Davida hilaza hoe: Omeo ahy i Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ny mariky ny saron-tsotsòkan’ny Filistina zato lahy.
malagasy
Ary Davida naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka]