2 Samuel 3:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: Hiainga aho dia handeha hamory ny Israely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’izay rehetra irin’ny fonao. Dia nampandeha an’i Abnera i Davida ka lasa soa amantsara izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: «Hitsangana aho ka hiainga hamory an’i Israely rehetra ho atỳ amin’ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin’izay rehetra irin’ny fonao ianao.» Dia nalefan’i Davida i Abnera ka nandeha amim-piadanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Abinera tamin’i Davida: –Handeha aho, tompoko, ka hamory ny Israelita rehetra ho eo aminao. Hanao fanekena aminao izy ireo ary dia hanjaka hatraiza hatraiza araka izay sitrakao ianao. Navelan’i Davida handeha i Abinera, ka lasa soa aman-tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: Hiainga aho dia handeha hamory ny Israely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’izay rehetra irin’ny fonao. Dia nampandeha an’i Abnera i Davida ka lasa soa amantsara izy.
malagasy