2 Samuel 3:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indreo, tonga avy niady ny mpanompon’i Davida sy i Joaba ka nitondra babo maro; ary efa tsy teo amin’i Davida tao Hebrona intsony i Abnera satria efa nalefany ka lasa soa amantsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indreto kosa tamy ny mpanompon’i Davida sy i Jôaba avy nitoha ka nitondra babo betsaka niaraka taminy. Tsy teo amin’i Davida tao Hebrôna intsony i Abnera, fa efa nalefany handeha ka nandeha tamim-piadanana izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izay dia tonga avy nandranto ady ny mpanompon’i Davida sy i Jôaba, ka nitondra babo maro. Tsy tao amin’i Davida tao Hebrôna intsony i Abinera fa efa navelany handeha soa aman-tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indreo, tonga avy niady ny mpanompon’i Davida sy i Joaba ka nitondra babo maro; ary efa tsy teo amin’i Davida tao Hebrona intsony i Abnera satria efa nalefany ka lasa soa amantsara.
malagasy
Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.