2 Samuel 3:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga i Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy dia nisy nanambara tamin’i Joaba hoe: Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera, zanak’i Nera, nefa nalefany, ka lasa soa amantsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga i Jôaba sy ny antokon’olona rehetra niaraka taminy, ka nisy nilaza tamin’i Jôaba hoe: «Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera zanak’i Nera, fa nalefany ka lasa nandeha tamim-piadanana izy!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vantany vao tonga teo i Jôaba sy ny tariny rehetra, dia nisy nampandre an’i Jôaba hoe: «Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abinera zanakalahin’i Nera ka navelany handeha soa aman-tsara.»
Malagasy Bible 1865
Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga i Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy dia nisy nanambara tamin’i Joaba hoe: Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera, zanak’i Nera, nefa nalefany, ka lasa soa amantsara.
malagasy
Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.