2 Samuel 3:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niverina tao Hebrona i Abnera dia noentin’i Joaba nitanila tao anaty vavahady mba hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ny kibony ka matiny ho valin’ny ran’i Asahela rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.
Malagasy Bible 1865
Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i Asahela rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niverina tao Hebrona i Abnera dia noentin’i Joaba nitanila tao anaty vavahady mba hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ny kibony ka matiny ho valin’ny ran’i Asahela rahalahiny.
malagasy
Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i Asahela rahalahiny.