2 Samuel 3:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’izany; ary tsy ho tapaka amin’ny taranak’i Joaba anie ny marary mitsika, ny boka, ny mamahatra amin’ny tehina, ny lavon-tsabatra, ary ny tsy manan-kohanina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa amin’ny lohan’i Jôaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: ka tsy ho tapaka eo amin’ny fianakavian’i Jôaba ny marary mitsi-dra na boka, na mampandihy ampela na lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hivaly eo an-dohan’i Jôaba sy ny fianakaviany manontolo anie izany, ary tsy ho foana ao amin’ny taranak’i Jôaba koa anie ny olona marary mitsika na marary hoditra sy ny lehilahy kilemaina manao asam-behivavy, ary ny lehilahy matin-tsabatra na tsy ampy sakafo!
Malagasy Bible 1865
Hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’izany; ary tsy ho tapaka amin’ny taranak’i Joaba anie ny marary mitsika, ny boka, ny mamahatra amin’ny tehina, ny lavon-tsabatra, ary ny tsy manan-kohanina.
malagasy