2 Samuel 3:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nalevina tao Hebrona i Abnera; ary nanandratra ny feony ny mpanjaka ka nitomany teo amin’ny fasan’i Abnera; nitomany koa ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao Hebrôna no nalevina i Abnera. Nitomany tamin’ny feo avo ny mpanjaka teo amin’ny fasan’i Abnera, ary nitomany koa ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalevina tao Hebrôna i Abinera. Nigogogogo nitomany teo amin’ny fasan’i Abinera ny mpanjaka; ary nitomany toy izany koa ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Dia nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nalevina tao Hebrona i Abnera; ary nanandratra ny feony ny mpanjaka ka nitomany teo amin’ny fasan’i Abnera; nitomany koa ny vahoaka rehetra.
malagasy
Dia nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.