2 Samuel 3:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia avy hampihinan-kanina an’i Davida izy rehetra raha mbola antoandro nefa nianiana i Davida hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hanendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nanatona an’i Davida nampihinan-kanina azy ny vahoaka rehetra, raha mbola antoandro ny andro; nefa nianiana i Davida nanao hoe: «Hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha hanendry hanina na zavatra hafa na inona na inona, alohan’ny maty masoandro!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola antoandro ny andro dia nanatona avokoa ireo mba hampihinan-kanina an’i Davida, nefa izy kosa nianiana hoe: –Hataon’Andriamanitra amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha manendry hanina na zavatra hafa aho mandra-pilentiky ny masoandro.
Malagasy Bible 1865
Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia avy hampihinan-kanina an’i Davida izy rehetra raha mbola antoandro nefa nianiana i Davida hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hanendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
malagasy