2 Samuel 3:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mbola manan-kery loatra aho izao na dia mpanjaka efa voahosotra aza; mafy loatra noho izaho ireo zanak’i Zeroia ireo; NY TOMPO anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin’i Tseroià ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mbola manan-kery loatra aho izao na dia mpanjaka efa voahosotra aza; mafy loatra noho izaho ireo zanak’i Zeroia ireo; NY TOMPO anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
malagasy