2 Samuel 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’Isboseta ka hoy izy: Lohan’alika miandany amin’ny Joda va aho? E! Izato izaho manisy soa ny taranak’i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa izaho izao dia helohinao noho ny amin’iny vehivavy iny?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ahoana no nandeha tamin’ny vaditsindranon’Ikaky ianao?» Ka tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’i Isbôseta ka namaly hoe: «Lohan’alika anisan’i Jodà va aho? Amin’izao, mampiseho fitiavana ny tranon’i Saola, rainao, sy ny rahalahiny aman-tsakaizany aho, ary tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida ka dia izao ianao no manìny ahy amin’ny hadisoana tamin’iny vehivavy iny?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra mafy i Abinera noho izany tenin’i Isbôseta izany ka nilaza hoe: –Alikalahy miandany amin’i Joda angaha aho? Mandraka ankehitriny dia naneho fitiavana ny fianakavian’i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny sakaizany aho, ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa ianao indray izao no manameloka ahy noho ny hadisoako tamin’iny vehivavy iny?
Malagasy Bible 1865
Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’Isboseta ka hoy izy: Lohan’alika miandany amin’ny Joda* va aho? E! Izato izaho manisy soa ny taranak’i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida, nefa izaho izao dia helohinao noho ny amin’iny vehivavy iny?
malagasy
Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?