2 Samuel 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’ny zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrona i Abnera dia niraviravy tanana izy ary raiki-tahotra ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’ny zanaka lahin’i Saola fa hoe maty i Abnera, tao Hebrôna, dia niraviravy tanana izy ary kivy ratsy i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrôna i Abinera, dia niraviravy tanana izy, ary ketraka ny Israelita rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’ny zanakalahin’i Saoly fa maty tany Hebrona i Abnera dia niraviravy tanana izy ary raiki-tahotra ny Israely rehetra.
malagasy
[Ny namonoana an'Isboseta, sy ny namalian'i Davida ireo namono azy kosa] Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.