2 Samuel 4:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra teny mahafaly dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga mba hanomezako azy ny valin’ny teny mahafaly noentiny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty i Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin’ny vaovao tsara nentiny,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka izao no hizingiziniko: Ilay nanambara tamiko ny nahafatesan’i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra vaovao mahafaly, dia efa nosamboriko ary novonoiko ho faty tao Tsiklaga. Izany no nasetriko azy tamin’ny vaovao mahafaly nentiny.
Malagasy Bible 1865
ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin 'ny teny mahafaly nentiny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra teny mahafaly dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga mba hanomezako azy ny valin’ny teny mahafaly noentiny!
malagasy
ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin'ny teny mahafaly nentiny;[Na: dia olona nampoizina homeko valim-pitia noho]