2 Samuel 4:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony, eo am-pandrianany; moa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny rany, ary tsy hofongorako tsy ho amin’ny tany intsony va ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin’ny tananareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin’ny tany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mainka fa misy olon-dratsy namono nahafaty lehilahy tsy nanan-tsiny tao an-tranony sady teo am-parafarany. Tsy maintsy sazîko ianareo izao noho ny namonoanareo an’i Isbôsèta ho faty; ka hofongorako tsy ho amin’ity tany ity intsony ianareo.
Malagasy Bible 1865
koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany intsony va ianareo
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony, eo am-pandrianany; moa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny rany, ary tsy hofongorako tsy ho amin’ny tany intsony va ianareo?
malagasy
koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany intsony va ianareoAry Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.