2 Samuel 4:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandidy ny zatovony i Davida hamono azy ireo ka notapahiny ny tanany sy ny tongony dia nahantony teo anilan’ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’Isboseta kosa dia noentina ka nalevina tao am-pasan’i Abnera tao Hebrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo i Davida; ary notapahin’izy ireo ny tongony aman-tanany, ka nahantony teo amoron’ny farihy any Hebrôna. Raha efa izany dia nalainy ny lohan’i Isbôseta sy naleviny tao amin’ny fasan’i Abnera ao Hebrôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nomen’i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an’i Rekaba sy i Bahanà. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin’ny dobo tao Hebrôna. Fa ny lohan’i Isbôsèta kosa dia nentina ka nalevina tao amin’ny fasan’i Abinera tao Hebrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandidy ny zatovony i Davida hamono azy ireo ka notapahiny ny tanany sy ny tongony dia nahantony teo anilan’ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’Isboseta kosa dia noentina ka nalevina tao am-pasan’i Abnera tao Hebrona.
malagasy