2 Samuel 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra tao an-trano i Rekaba sy i Bana rahalahiny haka vary ka namely azy tamin’ny kibony dia lasa nandositra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin’ny kibony izy. Ary i Rekaba sy i Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niditra tao an-trano toy ny mpaka vary i Rekaba sy i Bahanà rahalahiny; koa rehefa hitany i Isbôsèta fa nandry teo am-parafara tao an’efitra fatoriany, dia notrobarany ny kibony. Rehefa matin’izy roalahy izy, dia notapahiny ny lohany ary nentiny nandositra; ka nandritra ny alina no nandehanany namaky ny lemak’i Arabà.
Malagasy Bible 1865
Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra tao an-trano i Rekaba sy i Bana rahalahiny haka vary ka namely azy tamin’ny kibony dia lasa nandositra.
malagasy
Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra.