2 Samuel 4:7 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa niditra tao an-trano izy roa lahy raha iny nandry teo am-pandrianany tao amin’ny efitrano fandriany iny Isboseta. Dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy. Notapahiny ny lohany ka noentiny ary nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay nandry teo am-parafarany, tao an’efitra fandriany iny i Isbôseta, no niditra tao an-trano izy ireo, dia novonoiny ho faty izy, ka notapahiny ny lohany, dia nentiny, ary nandeha mandritra ny alina manontolo izy, namaky ny Tany lemaka.
Malagasy Bible 1865
Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa niditra tao an-trano izy roa lahy raha iny nandry teo am-pandrianany tao amin’ny efitrano fandriany iny Isboseta. Dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy. Notapahiny ny lohany ka noentiny ary nandeha nandritra ny alina namakivaky ny tany ngazana izy.
malagasy
Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.[Heb. Arabà]