2 Samuel 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitondra ny lohan’Isboseta tany amin’i Davida tao Hebrona izy ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’Isboseta, zanak’i Saoly fahavalonao izay nitady ny ainao; fa NY TOMPO efa namaly an’i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ny mpanjaka tompoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiny tany amin’i Davida tany Hebrôna ny lohan’i Isbôseta, dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Indro ny lohan’i Isbôseta zanak’i Saola, fahavalonao, izay nitady ny ainao. Namalian’i Iaveh faty an’i Saola sy ny taranany androany ny mpanjaka tompoko.».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatonga ny lohan’i Isbôsèta teo amin’i Davida tao Hebrôna izy mirahalahy ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: –Indro tompoko ny lohan’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly fahavalonao izay nitady hahafaty anao. Fa ny TOMPO androany no namaly faty anao ny amin’ny nataon’i Saoly sy ny taranany.
Malagasy Bible 1865
Ary nitondra ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny mpanjaka tompoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitondra ny lohan’Isboseta tany amin’i Davida tao Hebrona izy ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’Isboseta, zanak’i Saoly fahavalonao izay nitady ny ainao; fa NY TOMPO efa namaly an’i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ny mpanjaka tompoko.
malagasy