2 Samuel 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandefa iraka tany amin’i Davida Hirama, mpanjakan’i Tiro, ka nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanorina trano ho an’i Davida ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandefa iraka tany amin’i Davida Hirama, mpanjakan’i Tiro, ka nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanorina trano ho an’i Davida ireo.
malagasy
[Ny amin'ny lapan'i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.