2 Samuel 5:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’ny Filistina fa efa nohosoran’ny olona ho mpanjakan’ny Israely i Davida dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Rehefa ren’i Davida anefa izany dia nidina tao amin’ny manda fiarovana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ny Filistinina fa hoe nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida ka niakatra nitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida, ka nidina nankao amin’ny toerana mimanda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ren’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida dia niakatra avokoa izy rehetra mba hambabo an’i Davida. Raha nahare izany koa i Davida, dia nidina nankao amin’ny fialofana mimanda.
Malagasy Bible 1865
Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’ny Filistina fa efa nohosoran’ny olona ho mpanjakan’ny Israely i Davida dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Rehefa ren’i Davida anefa izany dia nidina tao amin’ny manda fiarovana izy.
malagasy
[Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.