2 Samuel 5:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hatry ny fahiny koa aza, raha mbola nanjaka taminay i Saoly dia ianao no efa mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary NY TOMPO efa nilaza taminao hoe: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpanapaka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fahiny, fony mbola nanjaka taminay aza i Saoly, dia ianao no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady; ary ny TOMPO efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho filohany.»
Malagasy Bible 1865
Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hatry ny fahiny koa aza, raha mbola nanjaka taminay i Saoly dia ianao no efa mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary NY TOMPO efa nilaza taminao hoe: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpanapaka azy.
malagasy