2 Samuel 5:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tao Baala-Perazima i Davida ka namely ireo tao; dia hoy izy: NY TOMPO efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky, koa izany no nanaovany ny anaran’izany tany izany hoe Baala-Perazima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany Baala-Farasima i Davida ka namely azy tao i Davida, ary hoy izy: «Novakin’i Iaveh teo anoloako toy ny amakian’ny rano ny fefiloha, ny fahavaloko.» Izany no nanaovana an’io toerana io hoe: Baala-Farasima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga tao Bahala-Peratsima i Davida ka nandresy ny Filistinina, ary nilaza hoe: –Ny Tompo efa nahavaky ny fahavaloko teo anatrehako hipariakany toy ny rano vaky. Izany no nanaovana io toerana io hoe: «Bahala-Peratsima» na «Tompon’ny fahavakiana».
Malagasy Bible 1865
Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tao Baala-Perazima i Davida ka namely ireo tao; dia hoy izy: NY TOMPO efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky, koa izany no nanaovany ny anaran’izany tany izany hoe Baala-Perazima.
malagasy
Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]