2 Samuel 5:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mahare fingadongadon’ny olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia haingàna; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao NY TOMPO hamely ny miaramilan’ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nony injay mahare fingodongodonan’olona any an-tendron’ny balsamie ianao dia mameleza faingana, fa amin’izay i Iaveh no hivoaka eo alohanao hamely ny tafiky ny Filistinina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nahare hoatra fingadongadon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia mihetseha faingana; satria amin’izay ny TOMPO no hiainga eo alohanao mba handresy ny tafiky ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mahare fingadongadon’ny olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia haingàna; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao NY TOMPO hamely ny miaramilan’ny Filistina.
malagasy
Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.