2 Samuel 5:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Israely rehetra ary nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’NY TOMPO i Davida mpanjaka. Dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ireo loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Israely rehetra ary nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’NY TOMPO i Davida mpanjaka. Dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely izy ireo.
malagasy