2 Samuel 5:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebosita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony, ary hoy ireo tompon-tany tamin’i Davida: Tsy ho tafiditra ato ianao; fa na dia ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao; ny heviny tamin’izany dia toy ny hoe: Tsy ho tafiditra ato i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: «Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.» Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebôsita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony; nefa hoy ny Jebôsita tamin’i Davida: –Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa na ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao. Izany no fomba nilazan’ny Jebôsita fa tsy ho tafiditra ao mihitsy i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebosita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony, ary hoy ireo tompon-tany tamin’i Davida: Tsy ho tafiditra ato ianao; fa na dia ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao; ny heviny tamin’izany dia toy ny hoe: Tsy ho tafiditra ato i Davida.
malagasy
Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:]