2 Samuel 5:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’io andro io: Izay mamely ny Jebosita dia aoka hananika ny lalan-drano ka hamely ny mandringa sy ny jamba izay halan’ny fon’i Davida. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe: Izay jamba sy mandringa tsy hiditra ao amin’ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida tamin’izany andro izany: «Na iza na iza hamely ny Jeboseanina, ka hihazo amin’ny lalan-drano...Fa ny mandringa sy ny jamba koa dia mankahala ny ain’i Davida.» Izany no niavian’ilay fitenenana hoe: tsy ho tafiditra an-trano ny jamba sy ny mandringa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay andro izay dia hoy i Davida hoe: «Raha misy te hamely ny Jebôsita, dia aoka izy hihazo ny lakan-drano!» Ny amin’ny mandringa sy jamba dia nankahalain’i Davida ireo, ka nahatonga ny fitenenana hoe: «Tsy mahazo miditra ny Tranon’ny Tompo ny jamba sy ny mandringa».
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’io andro io: Izay mamely ny Jebosita dia aoka hananika ny lalan-drano ka hamely ny mandringa sy ny jamba izay halan’ny fon’i Davida. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe: Izay jamba sy mandringa tsy hiditra ao amin’ny Trano.
malagasy