2 Samuel 5:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka ny anarany nataony hoe Tanànan’i Davida. Ary narafitr’i Davida ny manodidina, hatrany Milo, mbamin’ny ao anatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nipetraka tao an-tanàna mimanda i Davida, ary niantso azy hoe «Tanànan’i Davida». Dia narafitr’i Davida ny manodidina, nanomboka hatreo Milao ka mifarana amin’ny trano fonenany.
Malagasy Bible 1865
Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin'ny ao anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka ny anarany nataony hoe Tanànan’i Davida. Ary narafitr’i Davida ny manodidina, hatrany Milo, mbamin’ny ao anatiny.
malagasy
Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin'ny ao anatiny.[Heb. fiarovana]