2 Samuel 6:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: NY TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay nananany rehetra noho ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Dia nandeha i Davida ka nampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma ho any an-Tanànan’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida mpanjaka nanao hoe: «Nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma sy ny ananany rehetra, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra.» Dia niainga nandeha i Davida, ka nampiakatra ny Fiaran’Andriamanitra avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida, nomba-mpanotrona maro niravoravo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy nilaza tamin’i Davida mpanjaka fa ny TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay nananany rehetra noho ny amin’ny Vatamasin’Andriamanitra. Dia niainga i Davida nampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra avy tao an-tranon’i Hôbeda-Edôma ho any an- tanànan’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: NY TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay nananany rehetra noho ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Dia nandeha i Davida ka nampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma ho any an-Tanànan’i Davida.
malagasy