2 Samuel 6:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nandihy teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nanabanty azy tao am-pony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanak’i Saola, nony niditra ny tanànan’i Davida ny Fiaran’i Iaveh, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan’i Iaveh izy, ka nikizaka azy tao am-pony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa tonga tao an-tanànan’i Davida ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikàla zanakavavin’i Saoly ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nandihy sy nibitaka teo anatrehan’ny TOMPO izy, dia naneso azy anakampony.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nandihy teo anatrehan’NY TOMPO. Dia nanabanty azy tao am-pony izy.
malagasy