2 Samuel 6:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampidirina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka napetraka teo amin’ny fitoerany tao anatin’ny tranolay izay naorin’i Davida hitoerany; ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafiditra ny Fiaran’i Iaveh ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay nasain’i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampidirina ny Vatamasin’ny TOMPO ka napetraka teo amin’ny toerana voatokana tao anatin’ny tranolay izay efa natsangan’i Davida ho azy. Ary i Davida avy eo nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampidirina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka napetraka teo amin’ny fitoerany tao anatin’ny tranolay izay naorin’i Davida hitoerany; ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO i Davida.
malagasy