2 Samuel 6:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy.
malagasy
Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.