2 Samuel 6:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niainga i Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Baala-Joda mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay mipetraka eo amin’ny kerobima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana i Davida ka niainga izy narahin’ny vahoaka rehetra izay tafavory manodidina azy, ka nankany Baala-Jodà mba hampiakatra avy any ny Fiaran’Andriamanitra izay fiantsoana ilay Anarana, ny Anaran’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga i Davida sy izany tafika manontolo nomba azy izany ka niala tao Bahala-Joda mba hampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao, dia Ilay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niainga i Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Baala-Joda mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay mipetraka eo amin’ny kerobima*.
malagasy
Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin']