2 Samuel 6:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mba nody koa i Davida hitsodrano ny ankohonany. Fa tonga nitsena an’i Davida i Mikala, zanakavavin’i Saoly ary hoy izy: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ny Israely androany! Ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ny zanakavavin’ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ilay nody hitso-drano ny ankohonany iny i Davida, dia nivoaka hitsena an’i Davida i Mikola zanak’i Saola, sy nanao hoe: «Endrey izany voninahitry ny mpanjakan’i Israely androany, tamin’izy nanary lamba teo anatrehan’ny ankizy vavin’ny mpanompony, tahaka ny fanary lamban’ny olom-poana!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Davida koa lasa nody mba hiarahaba ny ankohonany. Fa avy hatrany dia notsenain’i Mikàla zanakavavin’i Saoly izy, ka nataony hoe: –Endrey izany voninahitry ny mpanjakan’i Israely androany, dia ilay nanary lamba anikeheo teo anatrehan’ny mpanompovavin’ny andevony, tahaka ny adala manary lamba!
Malagasy Bible 1865
Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mba nody koa i Davida hitsodrano ny ankohonany. Fa tonga nitsena an’i Davida i Mikala, zanakavavin’i Saoly ary hoy izy: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ny Israely androany! Ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ny zanakavavin’ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
malagasy