2 Samuel 6:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Davida sy ny taranak’Israely rehetra kosa dia nitsinjaka teo anatrehan’NY TOMPO tamin’ny karazan-javamaneno samihafa natao tamin’ny hazo kipreso, dia tamin’ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny korintsana ary ny kipantsona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Davida sy ny taranak’i Israely rehetra, izany, nandihy teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny feon-java-maneno isan-karazany, natao tamin’ny hazo sipre, ny harpa, ny valiha, ny ampongatapaka, ny sistra, ary ny kipantsona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niravoravo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida sy ny Israelita rehetra tamin’ny fampiasana zava-maneno vita tamin’ny hazo kipresy, dia ny lokanga sy ny valiha, mbamin’ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Davida sy ny taranak’Israely rehetra kosa dia nitsinjaka teo anatrehan’NY TOMPO tamin’ny karazan-javamaneno samihafa natao tamin’ny hazo kipreso, dia tamin’ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny korintsana ary ny kipantsona.
malagasy